Kitendry (zavamaneno)

Ny kitendry dia singa eny amin' ny zavamaneno, izay enti-mibaiko ny famoahana sy ny fanapahana ny feo.
Manokatra sy manidy sopapa mekanika isan-karazany ny kitendry eo amin' ny ôrga. Na izany aza, tsy mihatra mivantana amin' ny lalan' ny rivotra ao anatin' ny fantsona iray ihany izy, fa mamaritra fantsona maro mifanandrify amin' ny maripeo manokana.
Mitarika ny fikorianan' ny rivotra avy amin' ny tafoforana voizin-tanana mankany amin' ny takelaka manify (metaly na akora hafa) mipararetra sy mamoaka feo ny kitendry.
Amin' ny zavamaneno hafa, dia mety ho karazana fanoitra manetsika tantanana hikapohana andian-tady ny kitendry (toy ny hita amin' ny pianô), na manapaka aratra izay manome hery ny mpikabino maneno (toy ny hita amin' ny ôrga elektrônika na sentetizera). Matetika vita amin' ny ivoara (vangin' elefanta, sns) ny kitendrin' ny pianô nandritra ny tantaran' io zavamaneno io. Ny fitamban' ny kitendry maro no mamorona ny andalan-kitendry.