Wikipedia:Fikambanana
|
Tonga soa eto amin'ny pejy fandraisan'ny fikambanana
Eto amin'ity pejy ity no ahitana ireo fampahalalana rehetra ilain'ny mpandray anjara eto amin'i Wikipedia |
Toerana iombonanaSerasera
Pejy fanoroana
|
FilazanaAndao hiaraha-mientana![hanova ny fango]Mahatsikaritra aho fa tena mila mivoatra ny Wikipedia teny malagasy. Be ireo mandalo te-hanatsara fa mahatsiaro miasa irery dia mijanona antenatenan-dalana. Sosokevitra ny ahy hoe andao hametraka drafitra hahatsara endrika sy votoaty ny eo amin'ny pejy fandraisana. Andao heverina hoe io no sehatra hanintonana ny olona ho liam-pahalalàna ary maharaka ny vanim-potoana sy ny toetrandro izay rehetra mivoaka eo amin'io pejy fandraisana io. Ankoatra izay tena mahaliana antsika sy izay tiantsika hampitomboina amin'ny teny malagasy sy amin'ny Wikipedia ho tena raki-pahalalàna tokoa. Mba te-handrisika antsika rehetra aho handinika hoe ahoana ny teti-panorona hahatonga io pejy fandraisana hampihiratra izay mandalo hoe mahafinaritra maha-te-hamaky hatrany ato izany. Zoro 1: Lahatsoratra notsongaina ho an'ity volana ity[hanova ny fango]Roapolo isa (20) raha be indrindra ny lahatsoratra nifandimbindimby teo hatramin'ny nitsangahan'ity Wikipedia teny malagasy ity raha ny tahiry no hitako. Inona ny lahatsoratra mbola tsy teo nefa nankafizinao sy tianao ho lavorary mba hipetraka eo? Mbola lavidavitra ny antsika raha hoe ovaina isan'andro ny eo. Mihevitra aho hoe farafaharatsiny tokony hiova isan-kerinandro. Zoro 2: Sarin'ny anio[hanova ny fango]Sary tsy misy fanazavana ny antsika, mila mivoatra koa izao izay! ny antsika no eo ambony ankavanana fa ny an'ireo maro efa any amin'ny zoro 5 na 6 no misy azy no misy fanazavana ihany koa ny sary. Raha voary tsy mena-mitaha ny eto Madagasikara, tokony mba hahitana izay malagasy eo na dia atao hoe 10% ihany aza. Zoro 3: Ny vaovao[hanova ny fango]Raha mampilahatra tahaka ny an'ny hafa isika dia efa tokony ho io no zoro 2, efa natsahatra ny Wikinews ka tokony hivoahan'ny vaovao eo. Azontsika atao ny mamoaka vaovao eo, ny hanaovana ny arisivany no mbola manahirana ahy kely mba tsy ho very izay vaovao eo manomboka izao fa ho fototry ny fahalalàna rahampitso sy rahafakampitso ny eo. Zoro 4: Lahatsoratra tsara vakiana[hanova ny fango]Raha mijery ny an'ny hafa isika dia efa tokony hoe "Fantatrao ve?" io zoro io. Ampaham-pehezanteny entina hanintonana antsika mba hamaky ny lahatsoratra manontolo niaviany. Teboka mihoatra ny dimy hatramin'ny folo avy amin'ny sokajy sy lohahevitra isankarazany. Mbola tsy ananantsika mihitsy ny amin'ity zoro "Fantatrao ve?" tokony hitoetra eto ity. Zoro 5: Amin'ity andro ity[hanova ny fango]Azo afohezina ny anarany (Aiai ==> Aye-Aye gidron' i Gasikara) fa nofinofy ihany ny an'ny mpanoratra. Mbola tena banga tanteraka io ry zareo fa vao tamin'ny 24 marsa (2026) isika no nanomboka nameno tsikelikely ny Efemerida. Tanjoko izany mba misy zavatra azo zaraina fa efa tsy hisy soratra intsony hoe mbola eo am-panamboarana. Raha ny halakiny dia haharitra herintaona ny famenoana azy... raha mahatozo no tena ary raha mifanampy ihany koa isika. Zoro 6: Wikipedia[hanova ny fango]Momba ny tranonkala sy ny fomba andraisana anjara. Mbola tsy manana loatra ilay toe-tsaina mizara sy manabe voho (mampitombo na manampy) isika fa mitady sao mahita dia maka fa tsy mametraka zavatra mendrika holovan'ny ao aoriana (sa aloha?). Fehiny[hanova ny fango]Ary farany, ialàna tsiny fa filazana izay vaovao sy fifidianana isankarazany na fitsapan-kevitra ity lasa fanentanana ity fa tery anatiny ny tena. Koa fanentanana ny an'ny tena, mba hihevitra isika ny amin'ny hahafeno ny eo amin'ny pejy fandraisana. Heverina fa tsara raha ao amin'ny dinika isika manohy ny resaka sy mifanakalo hevitra. Mankasitraka antsika raha nahavaky hatramin'ny farany ity lahatsoratra ity ianareo. Azo fafàna rehefa tratra ny tanjona na tsia... Endrika tsara[hanova ny fango]Hevitra manokana mba tiako hojeren'ny rehetra. Ny pejin'ny miteny pôrtiogey amin'izao fotoana no tena tiako indrindra. Manaraka izany an'i Nederland. Mba topazo maso hoe azafady raha mba mitovy hevitra isika? |