Momba azy
Ny tohodranon'i Tsiazompaniry dia tohodrano miendrika andohalambo sady misy andry mpanohana hoan'ny Reniranon'i Ikopa, renirano akaikin'i Tsiazompaniry ao anatin'ny faritra Analamanga. Orinasa frantsay iray no nanorina azy io tamin'ny taona 1956. Izy io no mamorona ny Farihin'i Tsiazompaniry, izay fitahirizan-drano lehibe indrindra eto amin'ny firenena, manana velarana 31 kilometatra tora-droa. Afaka mitahiry rano hatramin'ny 260.000.000 metatra tora-telo ny tohodranon'i Tsiazompaniry. Misy tohodrano hafa mitovy karazana aminy, hita iray kilaometatra mianavaratra-andrefan'ilay tohodrano lehibe, izay manampy amin'ny fandrindrana ny rano ao amin'io fitahirizana io[1].
Any amin'ny kaominina Ambohimiadana, distrikan' Andramasina, faritra Analamanga no misy azy[2].
Ny rano avoakan'ny tohodrano dia mikoriana any amin'ny toby famokarana herinaratra ao Antelomita, izay hita any ambany kokoa amin'ny renirano. Nanomboka tamin'ny taona 2011 ny tetikasa hametrahana toby famokarana herinaratra manana tanjaka 5,25 MW eo am-pototr'ilay tohodrano. Tamin'io taona io ihany, dia tena ambany dia ambany ny haavon'ny rano tao amin'ilay tohodrano[3].
Efa nampiasaina namatsiana rano an' Ikopa ny rano tao Tsiazompaniry vokatry ny haintany, toy ny tamin'ny taona 2017 izay namoahana didim-panjakana ny amin'ny famahana ny tohodrano[4].
(Fanamarihana: Andao hatsaraina ny lahatsoratra amin'ny teny malagasy, ateveno miaraka amin'ny loharanom-baovao manaraka ny satan'ny Wikipedia... Tsindrio ny rohy eto ambany dia ateveno. Marihana fa na dia nanatevina ny lahatsoratra aza ianao dia tsy miova ny eto amin'ny pejy voalohany, ka aza mikorapaka fa fombany ihany izany.)
(tohiny)