Hankany amin'ny vontoatiny

Tohodranon'i Tsiazompaniry

Avy amin'i Wikipedia
Tohodranon'i Tsiazompaniry

Ny tohodranon'i Tsiazompaniry, naorina ny taona 1956, tohodrano mitahiry rano betsaka indrindra eto Madagasikara[1].

Momba azy

[hanova | hanova ny fango]

Ny tohodranon'i Tsiazompaniry dia tohodrano miendrika andohalambo sady misy andry mpanohana  hoan'ny onin'Ikopa, ony akaikin'i Tsiazompaniry ao anatin'ny faritra Analamanga. Orinasa frantsay iray no nanorina azy io tamin'ny taona 1956. Izy io no mamorona ny Farihin'i Tsiazompaniry, izay fitahirizan-drano lehibe indrindra eto amin'ny firenena, manana velarana 31 kilometatra tora-droa. Afaka mitahiry rano hatramin'ny 260 000 000 m3 ny tohodranon'i Tsiazompaniry. Misy tohodrano hafa mitovy karazana aminy, hita iray kilaometatra mianavaratra-andrefan'ilay tohodrano lehibe, izay manampy amin'ny fandrindrana ny rano ao amin'io fitahirizana io[1].

Any amin'ny kaominina Ambohimiadana, distrikan' Andramasina, faritra Analamanga no misy azy[2].

Ny rano avoakan'ilay tohodrano dia mikoriana any amin'ny toby famokarana herinaratra ao Antelomita, izay hita any ambany kokoa amin'ilay renirano. Nanomboka tamin'ny taona 2011 ny tetikasa hametrahana toby famokarana herinaratra manana tanjaka 5,25 MW eo am-pototr'ilay tohodrano. Tamin'io taona io ihany, dia tena ambany dia ambany ny haavon'ny rano tao amin'ilay tohodrano[3].

Efa nampiasaina namatsiana rano an' Ikopa ny rano tao Tsiazompaniry vokatry ny haintany, toy ny tamin'ny taona 2017 izay namoahana didim-panjakana ny amin'ny famahana ny tohodrano[4].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1 2 https://newsmada.com/2026/02/12/barrage-de-tsiazompaniry-aucun-risque-de-debordement-nest-a-craindre/
  2. ↑ https://mapcarta.com/fr/W506145669
  3. ↑ https://www.madonline.com/energie-le-barrage-de-tsiazompaniry-est-presque-sec/
  4. ↑ https://scoopdago.wordpress.com/tag/tsiazompaniry/