FIFA
Fiseho


Ny Fédération Internationale de Football Association, na FIFA, no vondrona mpitantana ny baolina kitra eran-tany. Fikambanana tsy miankina araka ny lalàna soisa izy io, izay manana foiben-toerana ao Zürich ary voasoratra anarana ao amin'ny rejisitra ara-barotra.
Ny tanjony dia ny fifehezana ny baolina kitra amin'ny endriny rehetra. Gianni Infantino no filohany nanomboka tamin'ny taona 2016.
Ny teti-bolan'ny FIFA izay mitentina an'arivony tapitrisa dolara dia natokana ho an'ny tsingerin'ny fidiram-bola efa-taona amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an'ny lehilahy, izay karakarainy. Izy koa no mikarakara ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an'ny vehivavy sy fifaninanana maro hafa.