Homamiadana
Fiseho
Ny homamiadana dia anisan'ny aretina mampatahotra indrindra amin'izao fotoana izao, satria mahazo olona maro manerana izao tontolo izao ary tsy tsy voafetra amin'ny sokajin-taona na lahy na vavy.
Karazana homamiadana mahazatra
[hanova | hanova ny fango]Maherin'ny zato karazana ny aretina mifandray amin'ny homamiadana izay manana toetra miavaka. Ka ireto manaraka ireto no tena miparitaka indrindra maneran-tany.
Ny homamiadan'ny nono
[hanova | hanova ny fango]Izy io dia karazana fivontosana izay manomboka amin'ny fivoaran'ny sela ao amin'ny tadin'ny nono. Ity homamiadana ity no homamiadana manjaka indrindra amin'ny vehivavy maneran-tany ary mety mamely na iza na iza satria samy manana tavy nono hatrany am-bohoka ny tsirairay.