Hankany amin'ny vontoatiny

Psittaciformes

Avy amin'i Wikipedia
Strigops habroptilus (Strigopidae), Nestor notabilis (Nestoridae), Barnardius zonarius (Psittaculidae), Coracopsis nigra (Psittrichasiidae), Ara ararauna (Psittacidae) ary Probosciger aterrimus (Cacatuidae)

Ny Psittaciformes dia filaharan' ny vorona any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly ny ankamaroany, manana vava mifaingoka sady matanjaka, vorona mijoro mahitsy ary manana rantsan-tongotra marani-koho, izay ahitana ny boloky sy ny sarivazo, ny boaiza, sns. Izy ireo dia sokajiana ho fianakaviana efatra izay misy karazana 410 eo ho eo mitsinjara amin' ny vondron-karazana 101. Ny fianakaviana efatra dia ny Psittaculidae, ny Psittacidae, ny Cacatuidae, ary ny Strigopidae.

Manana toetra miavaka sy ranoray izy ireo izay ahafahana mamantatra azy ireo mora fantatra. Fantatra amin' ny faharanitan-tsainy ny karazany sasany izay mahavita feo miavaka ary afaka maka tahaka ny feon' olombelona. Noho ireo toetra ireo sy ny loko manjelanjelatra amin' ny volon' izy ireo, dia maro ny karazany no tazonina ho biby fanao namana, ary ny sasany tsy fahita firy sy arovana dia iharan' ny fanondranana an-tsokosoko. Ho an' ny zôôlôjian' ireo karazana ireo dia jereo koa ny Psittacidae.

Fanasokajiana anatiny

[hanova | hanova ny fango]

Ny filaharana Psittaciformes dia misy fianakaviana efatra, misy karazana 410 eo ho eo izay mitsinjara amin' ny zana-karazana 101. Indreto ny fianakaviambe sy ny fianakaviana ary ny zana-pianakaviana (ary indraindray ny foko): Strigopoidea

Cacatuoidea

  • Cacatuidae
    • Nymphicinae
    • Calyptorhynchinae
    • Cacatuinae
      • Microglossini
      • Cacatuini

Psittacoidea

  • Psittacidae
    • Psittacinae
    • Arinae
      • Arini
      • Androglossini
  • Psittaculidae
    • Psittrichasinae
    • Platycercinae
      • Pezoporini: ground parrots and allies
      • Platycercini: broad-tailed parrots
    • Psittacellinae
    • Loriinae
      • Loriini
      • Melopsittacini
      • Cyclopsittini
    • Agapornithinae
    • Psittaculinae
      • Polytelini
      • Psittaculini
      • Micropsittini