Hankany amin'ny vontoatiny

Soka-dranomasina

Avy amin'i Wikipedia
Soka-dranomasina

Ny sokatra an-dranomasina na soka-dranomasina dia sokatra miaina eny an-dranomasina, izay atambatra ao amin' ny fianakavambe Chelonioidea. Izy ireo dia hita any amin' ny ranomasina rehetra eran-tany afa-tsy any amin' ny Ranomasimbe Arktika. Ilay sokatra atao hoe Dermochelys coriacea no lehibe indrindra, mirefy 2 m ny halavany, 1 m hatramin ny 1,5 m ny sakany ary milanja 600 kg. Eo amin' ny 50 sm hatramin' ny 1 m eo ny salan-kaben' ny karazana hafa.

Marefo na atahorana ho lany tamingana avokoa ireo karazan-tsokatra ireo. Misy noho izany ny drafi-piarovana na famerenana amin' ny laoniny eny ifotony azy ireo, nefa mbola antony mampanahy amin' ny mety hihenan' ny isan' ny sokatra, izay efa tena mihavitsy, ny fandotoana ny tontolo iainany sy ny fihazana ary ny fisamborana tsy nahy amin' ny alalan' ny fitaovam-panjonoana.

Fianakaviana sy vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fianakaviambe Chelonioidea, araka ny TFTSG (30 Jona 2011) sy ny NCBI (17 Mey 2014), dia mizara ho fianakaviana 2 mbola velona (vondron-karazana 6) sy fianakaviana fôsily .

Fianakaviana sy karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Roa ny fianakavian-tsoka-dranomasina misy eto Madagasikara izay ahitana karazana dimy:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]