Wikipedia:Vaovao/2026/Jolay-septambra 2026
Fiseho
< Wikipedia:Vaovao | 2026
- 30 septambra 2026 - Avotra noho ny tsy fahombiazan'ny kinasa hanjera na hanodina ny sidina 1073 an'i Flydubai ireo mpandeha niala avy ao Dubai ho ao Tel Aviv. Israeliana ny maro tamin'ireo mpandeha.
- 29 septambra 2026 - Notendren'ny mpanjaka Mohammed VI ho filohan'ny governemanta i Fatima Ezzahra El Mansouri — vehivavy voalohany ao Marôka notendrena ho amin'io toerana io.

- 21 Aogositra 2026 - Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny Fanapahan-kevitra laharana faha 16-HCC[1], fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny lalàna 2026-005 momba ny politikan’ny fampiasana ny teny malagasy sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara.
- 01 aogositra 2026 - manomboka amin'ny fomba ofisialy ao Moramanga ny lasin-jobily faha-90 taona ny Lovitao (sampana mavo) sy ny mpiandalana (sampana mena) ao amin'ny fikambanana skoto Tily eto Madagasikara.
- 01 jolay 2026 - Lany tao amin'ny Antenimierampirenena eto Madagasikara ny politikan'ny fampiasana ny teny malagasy sy ny zo momba ny teny malagasy eto Madagasikara natolotry ny depiote Rakotoharitiana Navalona Francky.[2]