Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 104 264 amin’ny teny malagasy

Lahatsoratra notsongaina ho an’ity volana ity

Ravelonjanahary no mpanorina ny fifohazana sy tobilehibe Manolotrony tamin' ny taona 1927. Teraka tamin' ny taona 1850 izy ary maty tamin' ny taona 1970. Notezaina tao amin' ny fiangonana naorin' ny London Missionary Society izy. Nitahiry ody izy. Taty aoriana, araka ny filazany, dia nisehoan’ i Jesoa matetitetika tao an-tanàna sy tany an-tsaha izy tamin' ny fahenimpolo taonany. Nahita zavatra mamirapiratra izy indray hariva sady nahare feo nanasa azy mba hijery ny rantsan-tanany folo izay nisy ny soratry ny Didy folo, sady nampanantena azy fa izay rehetra mino an’ Andriamanitra noho ny teny izay hambarany dia ho sitrana amin' ny alalan' ny fametrahan-tanana. Lazaina fa "maty" nandritra ny enina andro izy ka "nitsangana" tamin' ny andro fahafito; nakarina any an-danitra ny fanahiny ary nomena fanahy hafa izy mba tsy hahafaty azy. Voalaza koa fa tsy nisakafo izy nandritra ny telo volana fa nisotro rano mangatsika fotsiny tamin' ny fotoana nampinarana azy tany an-danitra. Nisy fotoana "nahafatesany" mandritra ny telo andro hafa indray nefa nitsangan-ko velona ihany. Betsaka ny fahagagana nataony, toy ny fanasitranana. Tamin' ny faha-120 taona izy vao maty. (tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

Tohodranon'i Tsiazompaniry

Ny tohodranon'i Tsiazompaniry, naorina ny taona 1956, tohodrano mitahiry rano betsaka indrindra eto Madagasikara[1].

Momba azy

Ny tohodranon'i Tsiazompaniry dia tohodrano miendrika andohalambo sady misy andry mpanohana  hoan'ny Reniranon'i Ikopa, renirano akaikin'i Tsiazompaniry ao anatin'ny faritra Analamanga. Orinasa frantsay iray no nanorina azy io tamin'ny taona 1956. Izy io no mamorona ny Farihin'i Tsiazompaniry, izay fitahirizan-drano lehibe indrindra eto amin'ny firenena, manana velarana 31 kilometatra tora-droa. Afaka mitahiry rano hatramin'ny 260.000.000 metatra tora-telo ny tohodranon'i Tsiazompaniry. Misy tohodrano hafa mitovy karazana aminy, hita iray kilaometatra mianavaratra-andrefan'ilay tohodrano lehibe, izay manampy amin'ny fandrindrana ny rano ao amin'io fitahirizana io[1].

Any amin'ny kaominina Ambohimiadana, distrikan' Andramasina, faritra Analamanga no misy azy[2].

Ny rano avoakan'ny tohodrano dia mikoriana any amin'ny toby famokarana herinaratra ao Antelomita, izay hita any ambany kokoa amin'ny renirano. Nanomboka tamin'ny taona 2011 ny tetikasa hametrahana toby famokarana herinaratra manana tanjaka 5,25 MW eo am-pototr'ilay tohodrano. Tamin'io taona io ihany, dia tena ambany dia ambany ny haavon'ny rano tao amin'ilay tohodrano[3].

Efa nampiasaina namatsiana rano an' Ikopa ny rano tao Tsiazompaniry vokatry ny haintany, toy ny tamin'ny taona 2017 izay namoahana didim-panjakana ny amin'ny famahana ny tohodrano[4].

(Fanamarihana: Andao hatsaraina ny lahatsoratra amin'ny teny malagasy, ateveno miaraka amin'ny loharanom-baovao manaraka ny satan'ny Wikipedia... Tsindrio ny rohy eto ambany dia ateveno. Marihana fa na dia nanatevina ny lahatsoratra aza ianao dia tsy miova ny eto amin'ny pejy voalohany, ka aza mikorapaka fa fombany ihany izany.)

(tohiny)

 Sarin’ny anio


 Ny vaovao


Azontsika tsirairay atao ny mametraka vaovao tsy mitongilana, tsy fampielezankevitra ary tsy mandainga eto

Hotel de ville de Limoges 18 octobre 2026 011 (cropped)
  • 21 oktobra 2026 - PHP2Shell na CVE-2026-109618 sy CVE-2026-109619, ireo lesoka tsikaritra tamin'ny arofenitra ara-pandrafetana PHP (anjotra) ka tsy maintsy mikojakoja sy manavao kinova izay mpiandraikitra ny tranonkala mba tsy harefo manoloana ny fanafihan'ny mpisovoka.
  • 17 oktobra 2026 - May nisy nandoro nandritra ny fihetsiketsehan'ny mpianatra ny Lapan'ny Tanànan'i Limoges (Sary).

Indreto kosa ny tahiry: Jolay-septambra 2026 * Mey 2026 * Avrily 2026 * Marsa 2026 * Tahiry 2026 * Teo aloha


 Efemerida

Androany 3 novambra:

  • 1954 - Navoaka voalohany ny sarimihetsika *tokusatsu* (mampiasa effets spéciaux) mitondra ny lohateny hoe *Godzilla*.
  • 1957 - Nalefa teny an'habakabaka i Laika, alika iray avy any amin'ny Firaisana Sovietika, tamin'ny alalan'ny zanabolana Sputnik 2; izy no biby voalohany nanavatsava ny orbitan'ny Tany.
  • 1971 - Navoaka voalohany ny Boky torolalana ho an'ny mpandrafitra rindrambaiko UNIX, nosoratan'ireo manampahaizana etazoniana momba ny informatika, Dennis Ritchie sy Ken Thompson.

Pejy rehetra 

Sokajy 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 


  1. 1 2 https://newsmada.com/2026/02/12/barrage-de-tsiazompaniry-aucun-risque-de-debordement-nest-a-craindre/
  2. ↑ https://mapcarta.com/fr/W506145669
  3. ↑ https://www.madonline.com/energie-le-barrage-de-tsiazompaniry-est-presque-sec/
  4. ↑ https://scoopdago.wordpress.com/tag/tsiazompaniry/